Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Fitakian’ny FTAR : miandry ny fivorian’ny mpanolotsaina ny fanapahan-kevitra

Fitakian’ny FTAR : miandry ny fivorian’ny mpanolotsaina ny fanapahan-kevitra

Nanao hetsika faharoa ny mpitondra taxi eto Antananarivo mivondrona ao amin’ny FTAR tarihin’ny filohany, Raharinirina Clémence, omaly maraina teny Analakely. Nangataka fihaonana tamin’ny mpitantana ny kaominina ny biraon’ny fikambanana. Tsy tao ny ben’ny Tanàna fa ny talen’ny kabinetra sy ny lefitra voalohany ary ny mpitantana ny fitaterana ao amin’ny kaominina no nandray ny solontena vitsivitsy. Nanambara ny ao amin’ny kaominina fa tsy mahatapaka samirery ny fampiatoana ny resaka « contre visite » eny amin’ny Omavet ny kaominina fa mbola iarahana midinika amin’ny mpanolotsaina kaomininaly rehetra izany. « Hisy ny fivoriana hotanterahina miaraka amin’ireo mpanolotsaina ireo amin’ny herinandro, nefa raha ny fandaharam-potoana voafaritra mialoha, tsy tafiditra ao ny fangatahan’ny FTAR », hoy ny filohan’ny fikambanana. Mahatsapa izy ireo fa arirariran’ny kaominina fotsiny ka nanapa-kevitra ny hihaona amin’ny mpiandraikitry ny minisiteran’ny Fitaterana, omaly ihany. Noraisin’ny sekretera jeneralin’ny minisiteran’ny Fitaterana sy ny talen’ny kabinetra ary ny mpiandraikitra ny fitaterana an-tanety ireo solontenan’ny fikambanana ary nitondra ny fitarainana. Nanambara ny mpiandraikitra fa handinika izany ary hampiantso azy ireo amin’ny vahaolana hitany.

Tsy mankasitraka ny fananganana fikambanana vaovao faharoa ny FTAR satria mampizarazara ny samy mpitondra taxi eto Antananarivo. Nanamafy ny filoha fa olona voafidin’ny maro anisa ny tenany sy ny birao ka tsy mety raha misy fikambanana hafa izay tsy fanta-pototra milaza fa hitsangana koa miaraka amin’ny kaominina. Nanelingelina ny fifamovoizana ny fitokonana nataon’ny mpitondra taxi, saingy tsy nihetsika ny mpitandro filaminana fa nitazan-davitra fotsiny izay niseho.

Vonjy

Les commentaires sont fermées.