
Nanolotra bodofotsy miisa 9045 sy ny tapim-bava 2200 ho an’ny kaominina Antananarivo Renivohitra sy ny any Toamasina ny Fikambanana Feo (Federation des entités oeuvrant pour Madagascar à la Reunion), omaly teny amin’ny Village Voara Andohatapenaka. Tafiditra amin’ny fihaonambe sy ny atrikasan’ny zanaka am-pielezantsika any ivelany izany. “Fanampiana sy firaisankina amin’ireo mpiray tanindrazana namana, voan’ny aretina pesta izao. Nanaovana antso tanaty “facebook” ny nahazoana ireo fanampiana voantsirambin’ny tanana ireo”, hoy ny filohan’ny Feo, Rakotoarimanana Mpanarivo, tamin’ny fanolorana izany.
Marihina fa hozaraina ho an’ireo marary ny pesta eto Antananarivo ny 345 amin’ireo bodofotsy ary ho an’ ny any Toamasina ny 600. Tahaka izany koa ny tapim-bava. Ho an’ny CUA ny iray am-pahatelony ary ho an’ny any an-dRenivohitry ny faritra Atsinanana ny ambiny. Na izany aza anefa, tsy maintsy dorana ireo bodofotsy ireo rehefa vita ny liana azy.
Synèse R.
Les commentaires sont fermées.