Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Crimario sy CRFIM : iaraha-miasa ny fari-dranomasina

Tetikasa iray ny Crimario (1), ho fiarovana ny fari-dranomasina aty amin’ny faritry ny Ranomasimbe Indianina, raha fintinina naroson’ny Vondrona eoropeanina miaraka amin’ny CRFIM (2), foibe fanangonam-bavao momba ny fari-dranomasina. Natao, omaly, sonia ny fifanaraham-piaraha-miasa amin’ny sampandraharaha maro momba izay fiarovana ny faritra izay. Manana anjara andraikitra momba izany fiaraha-miasa izany, ny avy amin’ny minisiteran’ny Fiarovam-pirenena ; Tontolo iainana ; Famantarana ny toetr’andro ; ny Polisy sy zandary ; ny Fikarohana siantifika ; ny Fanaraha-maso ny jono, ny APMF(3).

Nisy solontena avy amin’ireo sampandraharaha rehetra ireo nanaraka fiofanana manokana natolotry ny Crimario. Miainga avy amin’izay ny fiaraha-miasa ahafahan’ny CRFIM manatsara ny fomba fiasa amin’ny fanaraha-maso eto an-toerana sy amin’ny faritra manodidina. Tanjona ny hisorohana ny fitaterana tsy ara-dalàna aty amin’ny fari-dranomasina manodidina antsika. Arahi-maso akaiky, ohatra, ny mety ho fisian’ny fitaterana an-tsokosoko solika, andramena (bois de rose), hatrany amin’ny fitondrana olona avoaka an-tsokosoko ny fari-dranomasina.

Koa misy ny fiaraha-miasa eo amin’ny samy Nosy manodidina sy ny firenena afrikanina maro. Mifanakalo vaovao ireo sampan-draharaha manara-maso momba izany eo amin’ireo samy firenena ireo, izay tohanan’ny Vondrona eoropeanina amin’ny alalan’ny tetikasa Crimario. Angonina izay vaovao voaray rehetra, hiarahana mamakafaka sy hitondrana vahaolana. Etsy andaniny miaraka amin’izany, manatevina ny lafiny teknika hoenti-miasa ny CRFIM eto an-toerana. Raha eto Madagasikara, misy izany izao ny teknisianina malagasy momba izay fanaraha-maso ny fari-dranomasina izay fa ampy ve ny fitaovana hanaovana izany asa izany ?

R.Mathieu

Crimario (1) : Critical maritime routes Indian ocean.

CRFIM (2) : Centre régional de fusion d’informations maritimes

APMF (3) : Agence portuaire maritime et fluviale

Les commentaires sont fermées.