Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

BNI Madagascar : antsoina hampiasa vola ny zanaka am-pielezana

BNI Madagascar  : antsoina hampiasa vola ny zanaka am-pielezana

Nandritra ny fanokafana ny fihaonambe ny zanaka am-pielazana malagasy any ivelany, ny 26 oktobra teo ao amin’ny « Village Voara » Andohatapenaka, nampahafantatra azy ireo ny anjara toerany eo amin’ny fampandrosoana ny banky BNI Madagascar. Nisy, araka izany, ny fifanakalozan-kevitra amin’ireo Malagasy monina any ivelany ireo sy io banky io, handraisan’izy ireo anjara amin’ny asa fampandrosoana eto amin’ny firenena.

Ny findramam-bola hampiasaina eto an-toerana na hitondra ny volany manokana mba hanaovana asa fampandrosoana eto an-tanindrazana. Tsy efa miditra ny Sinoa, ohatra, vao hitabataba isika tompon-tany, misy aza mampirisika ny sasany hanangana ady amin’ireo vahiny mampiasa vola eto an-toerana.

Vonona hanome torohevitra sy hanampy amin’izay tetikasa rehetra heverin’ireo Malagasy avy any ivelany ireo hatao eto an-tanindrazana Ny BNI Madagascar. Eo koa ny fiaraha-miasan’ity banky ity amin’ny EDBM (Economic Development Board of Madagascar), manohana ireo mpampiasa vola eto an-toerana sy avy any ivelany.

Vonona ny BNI hanampy sy hiara-miasa amin’ireo teratany malagasy ireo, mampirisika mihitsy aza hampody azy ireny eto an-tanindrazana, araka ny fanazavan’ny tale jeneralin’ny BNI, Alexandre Mey. Mandritra ny telo andro hanaovana izany fihaonambe izany, mampahalala ny asa mety ho hita ao amin’io banky io amin’ireo Malagasy monina any ivelany ireo ny sampandraharahana misahana ny mpiasa ao aminy (DRH).

R.Mathieu

Les commentaires sont fermées.