8 000 isan-taona ny sakafo nohafarana mandalo fitiliana eny amin’ny ivontoerana manokana misahana izany, araka ny fanazavan’ny mpiandraikitra ny ACSQDA, Rakotovao Ravahatra Joelinirina, teny Tsaralalàna, omaly. Ireo manaraka ny lalàna ihany no mahazo alalana hivarotra ny fahazoan-dalana azo amidy eto amin’ny tsenantsika fa vitsivitsy no tsy manaraka ny fenitra mifehy. Hankalazaina ny 17 sy 18 novambra izao eny amin’ny lapan’ny kolontsaina, Mahamasina, ny Andro iraisam-pirenena ho an’ny antoka ara-pahasalamana sy ny kalitaon’ny sakafo. Hisy ny torolalana amin’ny fikarakarana sakafo ara-pahasalamana manaja ny fenitra amin’ny fahadiovana. Ho hita ao avokoa ny mpisehatra amin’ny sakafo eto amintsika. Nivory, omaly, ireo mpandray anjara rehetra amin’ny hetsika eny Mahamasina. Hanentana ny vahoaka amin’ny fahadiovana momba ny fikarakarana sakafo ao an-trano ny teknisianina mba tsy hitondra aretina ho an’ny fianakaviana indray.
Tsy ny ao an-trano ihany, betsaka ny mpivarotra sakafo masaka eny rehetra eny tsy manaja ny fenitra ka mitera-doza ho an’ny mpihinana, indrindra ny “mayonnaise” mivadika ho poizina.
Vonjy
Les commentaires sont fermées.