Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Tsy nisy ny maty tao anatin’ny roa andro : 180 ireo manaraka fitsaboana

Mahatratra 124 ny isan’ny olona maty noho ny aretina pesta, nanomboka ny 1 aogositra hatramin’ny 25 oktobra lasa teo, araka ny antontanisa navoakan’ny BNGRC, omaly. 63 ireo maty teny anivon’ny hopitaly, 61 ny teny amin’ny fokontany fa tsy tody teny amin’ny toeram-pitsaboana. 28 ny tranga vaovao voitily ny 25 oktobra, ka 21 ny teto Analamanga, 19 ao anatin’izay ny teo anivon’ny hopitaly eto Antananarivo sy ny manodidina fa ny roa ambiny ivelan’ny toerana voalaza. Tsy nisy aina vaovao nafoy koa nanomboka ny 24 oktobra. Mahatratra 180 ny marary manaraka fitsaboana, 77 ireo sitrana tamin’io andro io.

Amin’izao fotoana izao, manao fitiliana marary fotsiny sisa ny andraikitry ny HJRA sy ny hopitaly hafa fa havondrona eny amin’ny CHAPA sy HJRB ny fandraisana ny mararin’ny pesta. Efa nampiana tranolay mahazaka marary betsaka rahateo eny an-toerana. Afaka mandray marary koa ny hopitaly eny Andohatapenaka raha ilaina. Ho an’ny HJRA, mbola miato kosa ny famangiana marary noho ny fitandroana ny fahasalaman’ny rehetra.

Vonjy

Les commentaires sont fermées.