Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Toamasina : na eo aza ny pesta, ho avy ny sambo mpizahatany

Toamasina  : na eo aza ny pesta, ho avy ny sambo mpizahatany

 Ho an’ny minisiteran’ny Fizahantany, tsy mampiova zavatra ny fanafoanan’ny 15%-n’ny mpizahatany ny famandrihana ho avy aty Madagasikara, noho ny tahotra ny pesta. Hanamarinany izany ny fahatongavan’ny sambo mpitondra mpizahatany marobe Costa Romantica amin’ny 7 novambra ho avy izao.

Nanambara ny minisitry ny Fizahantany, Ratsiraka Roland, ny 26 oktobra teo, teto Toamasina, fa tsy mampiova ny tontolon’ny fizahantany eto Madagasikara ny firongatry ny valan’aretina pesta, na eo aza ny fanafoanana ny sidina avy any Seychelles sy ny firenena sasany. Ho avy foana koa ny mpizahatany na nanafoana ny famandrihany any amin’ny trano fandraisam-bahiny aza ny 15%-n’izy ireo.

Hanamarinana izany, ho avy amin’ny 7 novambra ho avy izao ny sambo vaventy mpitondra mpizahatany, Costa Romantica. Manodidina ny 1.800 ny mpandeha amin’ity sambo vaventy ity, mitety firenena maro, toy ny aty amin’ny ranomasimbe Indianina. Mampidi-bola vahiny betsaka ho antsika, na tsy maharitra aza ny fotoana andalovany aty Madagasikara.

Efa misy ny fifampiraharahana amin’ny Fikambanana iraisam-pirenena momba fizahantany (OMT) sy ireo firenena voakasika, hamerenana ireo sidina nofoanana, saingy tsy fantatra na ho haingana na ho ela.

Voafehy ny pesta”, hoy ny minisitra

Nilaza koa ny minisitry ny Fizahantany fa voafehy ny pesta any Toamasina. Raha ny fanazavana teknika voarainy, ho foana tanteraka ny pesta eto Toamasina afaka herinandro. Raha ny tatitra voaray ao amin’ny sampana fitsaboana ity valan’aretina ity, tsy misy afa-tsy 12 sisa ny marary ao amin’ny hopitaly.

Sajo sy Njaka A.

Les commentaires sont fermées.