Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Toamasina… amin’ny alina : rakotra ankizy tsy ampy taona ny trano filanonana

Toamasina… amin’ny alina : rakotra ankizy tsy ampy taona ny trano filanonana

Tazana etsy sy eroa amin’ny andro alina! Asan-jiolahy, famonjena trano fandihizana amin’ny alina, samy hanjakan’ny ankizy vavy sy lahy tsy ampy taona avokoa izany rehetra izany any Toamasina. Tsy tazana loatra ny fandraisana andraikitry ny mpitandro filaminana izay misahana izany. Raha ny fanadihadiana natao tamin’ ireny trano fandihizana ireny, misy antony roa lehibe mahatonga ny ankizy tsy ampy taona mamonjy ireny trano filanonana ireny. Voalohany, ho an’ny vehivavy, eo ny fampanofana vatana mba hitadiavana vola, satria anisan’ny mahasarika ny lehilahy lehibe ny fahitana ankizy sy manao firaisana ara-nofo amin’ izy ireny.

Faharoa, izy ireny ihany koa no ataon’ny jiolahy hanjonoana izay tokony ho lasibatra.

Ho an’ny ankizy lahy kosa, manendaka sy mandrava olona raha vao hita fa mamo na koa mandeha irery.

Manamboninahitra eo anivon’ny mpitandro filaminana any Toamasina no efa sendran’ ireto tontakely voalaza etsy ambony ireto, tamin’ny trano fandihizana iray anoloan’ny bazary may ao Ankirihiry efa ho volana maromaro lasa izay. Manambara fa tsy mifidy hasiana ireto andian-jatovo lahy sy vavy tsy ampy taona ireto eto Toamasina.

Sajo

Les commentaires sont fermées.