Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Lozam-pifamoivoizana : maty tsy tra-drano ilay lehilahy voadonan’ny kamiaobe

Lozam-pifamoivoizana  : maty tsy tra-drano ilay lehilahy voadonan’ny kamiaobe

Tao Tsaramandroso, Fianarantsoa, amin’iny lalampirenena faha-7 iny no nitrangan’ity lozam-pifamoivoizana nahatsiravina namoizana ain’olona iray ity, omaly maraina, vokatry ny fandonan’ny kamiaobe iray azy.

Fiarabe iray handeha hianatsimo no nandona azy ka nahafaty azy teo no ho eo, teo Tsaramandroso. Nitangorona ny olona vokatr’izay nanatona nijery ny zava-misy. Ilay fiara koa tsy afa-nihetsika rahateo teo anoloan’izany. Voalaza fa noho ity rangahy ity voahitsaka mihitsy ny nahafaty azy. Tonga teny an-toerana ny polisy nandray an-tanana ny raharaha, sady nitondra ny mpamily niala teo an-toerana mba hanaovana fanadihadiana.

Mbola kamiao ihany koa no namoa-doza teny Ambohidratrimo. Kamiao Mercedes Benz izay noentina lehilahy 48 taona, monina ao Mahavoky Besarety, avy nanary ranon-tany tao Alakamisy Ambohidratrimo no nahita tampoka fiara 4×4 nijanona teo amoron-dalana ka maty ny maoterany ary nihemotra, teny Ankadibe Ambohidratrimo, afakomaly maraina, tokony ho tamin’ny 4 ora teo. Tsy voatanan’ny hisatra ka nivarina tany anaty hantsana ilay kamiao.

Maty vokatr’izany ilay mpamily ary potika tanteraka ilay fiara noentiny. Voatery tao izy, raha ny fanazavana azo avy amin’ny zandarimaria.

Nidina teny an-toerana ny zandary avy ao amin’ny borigady Ambohidratrimo niaraka amin’ny dokotera nanao fizahana. Taorian’ny fizahana, natolotra ny fianakaviana ny razana.

Teny Ankazobe

Fiara mpitatitr’olona Sprinter iray, nentina lehilahy 38 taona, avy aty Antananarivo  ho any Ambondromamy no nivadika vokatry ny fandehanana mafy, teo amin’ny RN4 PK113+500, teo Ampivoarana fokontany Ambohitrampovoany, Ankazobe, ny alarobia teo, tamin’ny 4 ora maraina. Olona dimy ny naratra tamin’izany. Nidina teny an-toearana ny zandary avy ao amin’ny borigady Ankazobe nanao ny fizahana. Nalefa eny amin’ny CHR Ankazobe ireo naratra hanaraka fitsaboana.

Yves S.

Les commentaires sont fermées.