Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Hanadiovana ny tsena : nanome fitaovana ny masoivohon’i Sina

Hanadiovana ny tsena  : nanome fitaovana ny masoivohon’i Sina

 Ho fanohanana ny asa iadiana amin’ny fiparitahan’ny pesta, nanolotra fitaovam-panadiovana ho an’ny boriborintany fahadimy ny masoivohon’i Sina miasa eto amintsika. Mitentina 10 tapitrisa Ar ny fanampiana, nahitana fitaovam-pandrarahana fanafody, fono tanana, baoty, angady… Hoentina hanadiovana ny fokontany rehetra ao amin’ny boriborintany izany, araka ny fanazavan’ny delegen’ny boriborintany nandritra ny fandraisana ny fitaovana teny Nanisana. Laharam-pahamehana ny fanadiovana ny lalana sy ny tsena ary ny lakandrano.

Nanamafy ny masoivohon’i Sina, Xiaorong Yang, fa eo akaikin’i Madagasikara hatrany i Sina ao anatin’ny ady amin’ny pesta. Hetsika iray amin’izany izao fanampiana amin’ny fanadiovana ny tanàna izao.

Nanampy tamin’ny fikarakarana ny fandraisana ny fitaovana ny fikambanan’ny mpianatra malagasy efa nandranto fianarana tany Sina hatramin’izay.

Les commentaires sont fermées.