Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Fitantanana ny kitra : handray anjara amin’ny fifidianana rehetra ny K2HB

Fitantanana ny kitra  : handray anjara amin’ny fifidianana rehetra ny K2HB

 Nihaona tamin’ny mpanao gazety, tetsy amin’ny Karibotel Analakely, ny Fikambanana te hanarina ny baolina kitra (K2HB), omaly. Nambaran-dRandrianirina Jean Ignace (Ramasy), filohan’ny fikambanana fa tsy nijanona ny nametraka ireo rafitra amin’ny faritra 22 ny K2HB, nanomboka ny taona 2014 no ho mankaty. Efa manana olona amin’ireo faritra rehetra ireo ity fikambanana ity, amin’izao fotoana izao. “Mpianatra avy amin’ny ANS avokoa ny 96% amin’ireo, miara-miasa akaiky amin’ny K2HB ka mahalala tsara ny fanatanjahantena fa tsy olona napetrapetraka fotsiny”, hoy izy.

Ankoatra izany, vonona ny K2HB ary handray anjara amin’ny fifidianana rehetra, manomboka any amin’ny seksiona, ny ligy ka miafara hatrany amin’ny federasiona. Na izany aza, nomarihiny fa hanara-maso akaiky ny fizotran’ny fifidianana any amin’ireo ambaratongan-drafitra rehetra, ireo mpikambana amin’ny K2HB, ka hiady amin’ny K2HB ireo manana lalao maloto. Noraisiny ho  ohatra ny fisian’ireo seksiona matoatoa sy tsy nahavita fifaninanana akory nefa nomena zo hifidy.

 

Ovaina sy esorina avokoa

 

“Efa namotika ny baolina kitra teto ireo seksiona sy ligy, amin’izao fotoana izao, ireo ka mila fafana sy diovina ary ovaina hatrany ifotony”, araka ny nambaran-dRamasy.

Nasiany resaka ihany koa ny amin’ny lalam-pifidianana, navoakan’ny vaomiera mahaleotena momba ny fifidianana, izay manome tombony ireo mpitondra ankehitriny. Raha ny heviny, tokony hampitomboina ny isan’ny mpifidy fa tsy mijanona amin’ireo filohana ligy 22 fotsiny. Tokony, ampidirina ao anatin’ny lisitry ny mpandatsa-bato, raha ny hevitry ny K2HB, ny mpitsara sy ny mpanazatra, ireo mpilalao tranainy sy izay rehetra ao anatin’ny rantsa-mangaikan’ny baolina kitra.

Manoloana izany, miantso fifampiresahana sy fifanatonana, ny K2HB, izay manokatra ny varavarany ho an’ireo rehetra te hampandroso ny baolina kitra eto Madagasikara.

Torcelin

Les commentaires sont fermées.