Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Birao teknika Don Bosco : « Manana ny hoaviny ny tanora… »

Birao teknika Don Bosco : « Manana ny hoaviny ny tanora… »

 Azo omena andraikitra tanteraka. Nikarakara famelabelarana narahina adihevitra momba ny tanora ny eo anivon’ny fikambanan-drelijiozy Salezianina, amin’ny alalan’ny fikambanana Don Bosco. Nitovian’ireo rehetra nandaha-teny fa tokony hojerena tokoa ny  tanora, indrindra ny hoaviny. Anisan’izany ny tokony handraisany anjara sy adidy ary andraikitra eo anivon’ny fiaraha-monina sy ny firenena. Manana ny hoaviny rahateo izy ireo ary niraisan’ny rehetra feo izany. « Tsapanay fa maro ireo tanora tokony hanao izany ary manana ny fahafahana manatanteraka ny adidiny eto amin’ny firenena, ka nahatonga anay nikarakara ity hetsika ity. Manana adidy amin’izany rahateo ny Salezianina amin’ny fanabeazana sy fitaizana ny tanora », hoy ny eo anivon’ny Birao teknika Don Bosco (BTD). Maromaro ny lohahevitra ka anisan’ny nahaliana ireo tanora izany ary nandraisan’izy ireo fitenenana. Nametrahany ny ahiahiny sy ny tolokeviny na koa ireo olana samihafa. Nampahafantarina  azy ireo koa ny amin’ny filatsahana an-tsitrapo sy ny tombontsoa azo amin’izany.

Randria

Les commentaires sont fermées.