Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Akademia Malagasy : nisantatra ny fitantanana ny Pr. Ranjeva Raymond

Akademia Malagasy : nisantatra ny fitantanana ny Pr. Ranjeva Raymond

Nisokatra tamim-pomba ofisialy, omaly, ny fe-potoam-piasana 2017-2018 eo anivon’ny akademia malagasy. Niavaka tanteraka izany satria nanamarika ihany koa ny fandraisan’ny profesora Raymond Ranjeva ny andraikiny amin’ny maha filoha vaovaon’ny Akademia malagasy azy. Hitondra hery vaovao eo anivon’izany rafitra izany izy. Anisan’ny fandaharanasany ny fampiroboroboana ny teny malagasy (momba ny Abidia malagasy vaovao sy ny politikam-pirenena momba ny Teny malagasy ary ny momba ny fomba fanisàna). Anisan’ny vina sy tanjon’ny filoha vaovao ny hanome hasina sy lanja ny Akademia amin’ny fikatsahana ny tsara indrindra sy ny fanomezana fahefan’ny Akademia amin’ny fikarohana, izay tena fomba fampiharana ireny lalàna sy fitsipika ireny. Tsiahivina fa nandimby ny dokotera Rajaona Andriamananjara, nodimandry tamin’ny taon-dasa ny profesora Raymond Ranjeva eo amin’ny fitondrana ny Akademia malagasy. Ankoatra ny filoha, nahazo filoha vaovao koa ireo sokajy efatra eo anivon’ny akademia: i Esther Randriamamonjy, sokajy haikanto sy hailaza; Rajaoson François, sokajy haifiaina sy haifitondrana; i Estèle Ramanankasina; sokajy hairaha fototra ary i Jhon Henri Rasambainarivo, sokajy hairaha ampiharina. Nandray mpikambana mpifandray vaovao ihany koa ny Akademia ary nanondro-daharana ny mpikambana sasany, ka tao ny lasa mpikambana mpiombon’antoka ary tao ny lasa mpikambana mahefa.

Landy R

 

Les commentaires sont fermées.