Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Vonoan’olona tao Ambalamanasa : fatim-behivavy nisy nanipy teny amin’ny lalam-pasika

Vonoan’olona tao Ambalamanasa : fatim-behivavy nisy nanipy teny amin’ny lalam-pasika

 Hitan’ny olona vao maraina teo amoron-dalana ny fatim-behivavy iray nifatotra. Tsy fantatra ny nahavanona azy. Tsy matin’ny pesta aloha rehefa nozahan’ny BMH ny razana.

Nahitana fatim-behivavy tokony ho 40 taona nitsirara natsipin’olona indray teo amin’ny lalam-pasika tao Ambalamanasa, ny marainan’ny talata teo. Nitarika horohoro tamin’ny mponina amin’ iny fokontany anisan’ny voasokajy ho faritra mena iny izany.  “Nifatotra tamin’ny lambahoany ny tongony, hatsatra ny vatany nahitana tomboka tahaka ny nisintonana rà teo amin’ny tendany”, hoy ny filazan’ny olona nahita ny razana. Tonga teny an-toerana ny mpitandro filaminana sy ny BMH nanao ny fanadihadiana sao maty vokatry ny valanaretina pesta izy ity fa saingy tsy nisy izany.

Nisy namono izy  ary olona novonoina tamin’ny toeran-kafa vao nariana teny an-toerana”, araka ny fanazavana voaray hatrany. Nambaran’ny mpitandro filaminana fa endrika fampihorohoroana ara-tsaina avokoa izao, tohin’ny resaka aely amin’ny fanaovam-baksiny pesta.

 Raha ny angom-baovao hatrany, nisy nahita fiara tsy mataho-dalana menamena nandatsaka  io razana io vao maraim-be ny talata teo. Eo am-panaovana ny fandihadiana ny mpitandro filaminana any an-toerana.

Ankoatra ny resaka pesta izay nahabe resaka ao Toamasina, nahitana olona maty betsaka, ilay vazaha voalaza fa matin’ny pesta, manampy trotraka koa ny tsy fandriampahalemana. Lasibatry ny asa ratsy ny ankamaroan’ny olona, tahaka an-dRah Ckiky. Manao izay ho afany ny mpitandro filaminana amin’ny ady amin’izany, kanefa izao indray misy ny faty olona. Miandry izay vokatry ny hetsiky ny polisy sy ny zandary ny olona manoloana ny asa ratsy mirongatra ao Toamasina ao.

Sajo

 

Les commentaires sont fermées.