Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Toamasina : “Marary ny baolina kitra sy ny fitantanana azy”, hoy i Patou

Toamasina : “Marary ny baolina kitra sy ny fitantanana azy”, hoy i Patou

 Efa samy manomana ny fanovana ireo mpitantana eo anivon’ny seksiona sy ny ligy, amin’ny baolina kitra ankehitriny, ny faritra tsirairay. Namaky ny vay maharary ity taranja ity ry zareo ao Toamasina.  

 

“Mitady aim-baovao ny baolina kitra eto amin’ny faritra Atsinanana. Efa simba avokoa na ny olona mpitantana na ireo fotodrafitrasa, raha tsy hilaza afa-tsy ny “tribune”, izay efa mangozohozo, ny fefy simba, ny trano fidiovana efa tsy azo ampiasaina intsony”, hoy i Gerard Patrick Joel (Patou), filoha lefitry ny Fortior club de la Côte Est, teo aloha, sy Razafindrakoto Jean-Claude, filohan’ny mpitsara baolina, teo aloha, nandritra ny valandresaka ho an’ny mpanao gazety, notanterahina, ny talata lasa teo tao amin’ny hotely L’ Univers, Toamasina. Nahitsy ny tenin’i Patou raha nilaza fa tena marary ny baolina kitra eto Toamasina sy manerana ny faritra Atsinanana. “Tato ho ato, tsy  misy intsony klioba Atsinanana mba lasa lavitra amin’ny fifaninanam-pirenena, raha oharina amin’ny teo aloha”, hoy izy. Araka izany, mila fanatsarana  mba hanomezana aim-baovao ity taranja ankafizin’ny vahoakan’i Toamasina ity, araka ny fanazavana nataony. Nanamarika i Gérard Patrick sy i Jean-Claude fa tokony hampahafantarina ny klioba rehetra sy ireo seksiona ny fandaharam-potoana rehetra momba ny fifidianana, kobonkobonina fotsiny ao. Maro mantsy, hoy izy ireo, ny olona te hilatsaka na eo anivon’ny seksiona na eo anivon’ny ligy. Tsy tokony hatahotra mpifaninana ireo mpitantana efa tsy nahomby, araka ny fanazavan’izy mirahalahy. “Lakolosy fanairana ny anay mba hameloma-maso indray ny tontolon’ny baolina kitra eto Toamasina”, hoy i Gérard Joel Patrick.

Tsy nanambara kosa anefa ireo mpitantana klioba sy mpitsara teo aloha ireo na ho anisan’ireo ho kandidà hifaninana amin’ireo fifidianana isan-tokony. Tsiahivina fa nanangana ny fikambanan’ny mpitia baolina kitra ao Toamasina izy mirahalahy.

Sajo

 

Les commentaires sont fermées.