Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Taom-piasana akademika 2017-2018 : handray ny toerany ny Pr. Ranjeva Raymond

Taom-piasana akademika 2017-2018  : handray ny toerany ny Pr. Ranjeva Raymond

Taorian’ny nitantanan’ny Dr. Rajaona Andriamananjara, nodimandry ny taona 2016, handray ny toerana maha filoha voafidy azy hitondra ny Akademia Malagasy ny    Pr. Ranjeva Raymond.

Voafidy ho filohan’ny Akademia Malagasy ny 3 oktobra teo ny Profesora Ranjeva Raymond. Anio tolakandro, mandritra ny fanokafana ny taom-piasana akademika 2017-2018 kosa no hametrahana azy amin’ny fomba ofisialy ka handraisany ny andraikitra maha filoha azy manomboka izao. Fantatra fa ivondronan’ny sokajy efatra ny Akademia Malagasy :  ny “Haikanto sy hailaza”, ny “Haifiaina sy haifitondra“, ny “Hairaha fototra” ary ny “Hairaha ampiharina“. Samy manana ny filohany avy ny sokajy tsirairay.

Adidy goavana ny miandry ity filoha vaovao ity raha jerena amin’ireo sokajy misy ao aminy ireo. Hatramin’izao rahateo, mbola vitsy ireo mahalala ny tena asa sy andraikitra sahanin’ny Akademia Malagasy ary ny fahefana ananany. Manana mpikambana izay saika mpikaroka manana ny maha izy azy avy ny Akademia Malagasy. Hatraiza anefa ny fanomezana lanja ny voka-pikarohana hitan’izy ireny ? Natokana ho an’iza ireny voka-pikarohana ireny ?

Manoloana ny fomba fanoratra ny teny malagasy sy ny voambolana vaovao, ohatra, andraikitra tahaka inona no iantsorohan’ny Akademia Malagasy ?

HaRy Razafindrakoto

 

Une réponse à "Taom-piasana akademika 2017-2018 : handray ny toerany ny Pr. Ranjeva Raymond"

  1. Judith  27/10/2017 à 10:45

    Filoha faha firy ao amin’ny Akademia Malagasy ny Pr Raymond Ranjeva?

Les commentaires sont fermées.