Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Sehatry ny angovo : havondrona ny antontam-baovao

Sehatry ny angovo : havondrona ny antontam-baovao

Natao, omaly, ny fankatoavana ny atrikasa miompana amin’ny fametrahana ny rafitra informatika hitantanana ny antontam-baovao mikasika ny sehatry ny angovo (SIE) eto Madagasikara. Ao anatin’izany ny herinaratra, ny angovo avy amin’ny entona, ny avy amin’ny vokatra ara-tsolika, sns. Nambaran’ny talen’ny angovo ao amin’ny minisiteran’ny Angovo sy ny vokatra ara-tsolika, Rakotofiringa Marc, fa tanjona ny hamondronana anaty rafi-pitantanana iray ny antontam-baovao rehetra amin’ny angovo, amin’ny alalan’ny tambajotra informatika sy ny fifandraisan-davitra. Anisan’ny hita ao ny antontanisa sy ny antontam-baovao, ny zava-misy isaky ny mpisehatra samihafa.

Hanamora ny asan’ny mpampiasa vola, toy ireo mpandraharaha avy any ivelany hampiasa vola eto amintsika koa ny fisian’ity rafitra ity. Efa manana sy mampiasa ity fomba ity avokoa ny firenena aty amin’ny ranomasimbe Indianina, afa-tsy i Madagasikara sy i Kaomoro. Mety azo ampiasaina ity SIE ity amin’ny taona 2018.

Njaka A.

Les commentaires sont fermées.