Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Resaky ny mpitsimpona akotry : mandroso mihemotra

Raha raisina an-tendrony moa izany fitenenana hoe mandroso mihemotra izany dia mifanipaka be ihany, nefa rehefa tena jerena akaiky ny manodidina dia iainana

isan’andro ireo trangan-javatra roa ireo ary tazana fa mifanosona toy ny tsara sy ny ratsy. Tsy mila resahana ny any an-tokantrano izay samy manana ny azy, fa raha vao mivoaka ny trano, na tsy tia handinika an’izany aza dia tsy afaka mody tsy hahita na ny fivandravandran’ny fiitatry ny fahantrana na ny fitombon’ny harena mitsikafona eo ankilan’ny fahantrana. Samy manana ny tandrify azy ka tsy ifanaovana alahelo na atao sakantsakana eo amin’ny fiaraha-monina izany, nefa tsy rariny kosa raha lalandava izao dia hitombo fahasahiranana sady hitombo an’isa ny mahantra ary eo an-daniny ahazo vahana hatrany amin’ny fivalamparana ao anatin’ny fiadakadanana ny olom-bitsy. Ny fandravonana mba tsy diso hitongilana toy izay ny rafitra itantanana ny raharaha-pirenena no iraka voalohany apetraky ny vahoaka amin’ny mpitondra. Ekena fa sarotra ny fanefana an’izany, nefa tsy noterena na novozonana ny mpitondra fa samy nanolo-tena daholo ary nifaninana mihitsy aza nandresy lahatra nanambara hatrany fa izy ilay nandrasana sady olo-marina no mahavita azy. Matetika anefa dia ambava fotsiny izany, toa jabora mitsonika ilay nantenaina ho lahin-jiro hanazava. Tsy ilaozan’

izay any ampiandohana dia efa ratsy loha mitetika fotsiny hanaovana ny asa-pôlitika fitaovana fanangonan-karena maloto, fa misy koa ireo mazava saina mihevitra hanao adidy madio izay tsy manana fahadisona afa-tsy ny tsy fahampina fanetren-tena, tsy nahatsapa ny fahalemeny eo anoloanan’ny fakampanahy no tsy nahalala ny fetrany mikasika ny fahaizana mitondra. Na miafina aza ny fomba fanaovany harena tsy sodokan’izany ny vahoaka, noho ny tsy fahaizan’izy ireo mifehy tena atosiky ny harena tsy nahazatra (tsy nisasarana), mivandravandra eny ny fiadakadanany sy ny fanjakazakana. Resaka fotsiny ny filazana fanaovana fanadiovana izany, fandrebirebena fotsiny ny fananganana sampana fampihavanana, ny fiarovana fototra mba tsy hisy intsony an’izany hoe “tsy maty manota izany” mandrak’ity androany dia tsy tafajoro. Tsy misy fitsarana mahefa afaka hanameloka ny mpitondra ambony ivelan’ny “Haute Cour de Justice”. Raha mbola tsy miasa io fitsarana io dia mbola tsy afaka mihatra amin’ny mpitondra ny lalàna. Izay fitarozahana eo amin’ny fananganana an’io fitsarana io dia ampy hitsarana ny fahavononan’ izay milatsaka rehefa tonga ny fifidianana.

Léo Raz

 

Les commentaires sont fermées.