Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Mahajanga : mpamaky fasana iray voasambotry ny zandary

Mahajanga  : mpamaky fasana iray voasambotry ny zandary

Voasambotry ny fokonolona tany amin’ny fokontany Ampahazony ny tovolahy iray, ny alatsinainy 9 oktobra teo, izay voalaza fa mpamaky fasana. Nampiahiahy ireo mponina tany an-toerana izy noho ireo fitaovana nentiny toy ny lapika, lapelina, gony, sns, ka nosamborin’ny olona. Notazonina tao amin’ny biraon’ny kaominina izy ary niandry ny fakan’ny zandary azy. Naharay fitarainana ny zandary fa nisy fasana miisa telo vaky tany Marosereza amin’ny fokontany Ankazomenavony Belobaka. Rehefa natao ny fanadihadiana, fantatra fa ity tovolahy tratra ity no namaky ny fasana. Notazonina teny amin’ny tobim-paritry ny zandary Mahajanga izy, ny alin’ny 11 oktobra nifoha 12 oktobra, saingy nitsoaka.

Nitohy ny fikarohana ka tratra ny alatsinainy teo tany amin’ny fokontany Ambondrona ilay tovolahy. Natorony avy eo ny toerana nasiany ireo taolam-paty milanja 10 kilao. Vao hitadiavana mpividy ireto taolana ireto raha ny nambarany nandritra ny famotorana.

Ity resaka taolam-paty ity izay mihodina eo amin’ny mpamaky fasana hatrany, fa tsy misy akory ny mpividy na mpandray azy. Tany amin’ny faritra Atsinanana iny, an-taoniny ny taolam-paty tratra.

Yves S.

 

Les commentaires sont fermées.