Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Basikety – Fiba 33 : fantatra ireo ho any Togo

Basikety – Fiba 33  : fantatra ireo ho any Togo

Randriamampionona Elly (ASCB Boeny), Rajaonarivony Claudio (Cospn), Mandimbison Fabrice (GNBC), Loubacky Rick Ley (ASCB Boeny). Ireo izy efatra mirahalahy hiaro ny voninahi-pirenena, eo amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, basikety lalaovin’olona telo na ny Fiba 33. Fihaonana, hotanterahina any Lomé, Togo, ny 3 – 5 novambra ho avy izao. Omaly, tetsy amin’ny lapan’ny Fanatanjahantena Mahamasina, no nampahafantarin’ny federasiona malagasin’ny basikety azy ireo. Marihina fa notsongaina, nandritra ny fifaninanam-pirenena, izy ireo.

Notolorana “maillots” sy “survetêments” izy ireo. Nisy koa lelavola avy amin’ny malala-tanana, hividianana tenisy, entina miatrika ity fifaninanana ity. Hanainga ny asabotsy ho avy izao ny delegasiona. Araka ny fantatra, firenena 15 ireo hiady ny lohany amin’ity fifaninanana Fiba 33 ity. Nambaran’ny teknisianina eo anivon’ny federasiona fa manana herijika ho tafiditra ao anatin’ireo firenena efatra hiatrika ny manasa-dalana i Madagasikara.

Torcelin

Les commentaires sont fermées.