Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Asan-dahalo : ankizy tsy ampy taona natrarana basy

Asan-dahalo  : ankizy tsy ampy taona natrarana basy

Tsy ny lehibe ihany no mitazona basy amin’ny asan-dahalo fa hatramin’ny ankizy ihany koa, tahaka ireto dimy lahy tratra tany Mahazoarivo Fianarantsoa ireto. Tsy basy kilalao fa tena izy, sady Kalachnikov roa sy basim-borona roa ireo tratra. Saron’ny zandary ireo nandritra ny hetsika nataon’izy ireo tany amin’ity faritra ity, ny herinandro teo.

Mahagaga ihany raha mbola ankizy tahaka izao no mitazona fitaovam-piadiana. Hatramin’izay, dahalo efa raindahiny ireo mitana basy fa tamin’ity kosa, ny ankizy mihitsy no ataon’ny dahalo fitaovana ihany koa. Efa mitovy any amin’ny tany miady any Afrika any mihitsy ny tarehin-javatra tahaka ity tany Fianarantsoa ity. Efa notanana nanaovana famotorana izy ireo, saingy mbola tsy nisy nipika ny valin’ny fanadihadian’ny zandary.

Andrasana ny vokatr’izay kanefa andrasana ihany koa ny ady amin’ny fiparitahan’ny fitaovam-piadiana. Loza mitatao ho an’ny hoavin’ny taranaka ny tranga toy izao.

Yves S.

 

Les commentaires sont fermées.