Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Vidim-bary : misy mivarotra 1.800 Ar ny kilaon’ny « stock »

Vidim-bary  : misy mivarotra 1.800 Ar ny kilaon’ny « stock »

Nambaran’ny mpivarotra ambongadiny eny Anosibe fa vary nohafarana avy any Pakistan ilay amidy 70.000 Ar ny gony 50 kilao, izany hoe, 1.400 Ar ny kilao. Tsy niteny izy ireo na ratsy tsara na tsara ny kalitaon’ity vary ity, fa misy amidy 76.000 Ar (1.520 Ar/kg) ny karazam-bary “stock” sasany, toy ny “tuc tuc”, ary 74.000 Ar (1.480 Ar/kg) ny karazana “moto”.

Tsy araka ireo anefa ny eny amin’ny mpaninjara, toerana tena fividianan’ny mpanjifa, satria  tsy mitsabaka amin’izay vidiny ambongadiny izy. Eny amin’ny tsenan’Ambondrona, mifanakaiky amin’ny vidin’ny vary eto an-toerana, toy ny nitaterana azy teto matetika ny vidin’ny vary nohafarana avy any ivelany. Amidy 1.800 Ar ny kilaon’ny “stock”, ary efa mahatratra 2.100 Ar ny kilaon’ny “riz de luxe”, mitovy amin’ny makalioka ihany.

Midika izany fa tsy miantraika any amin’ny mpanjifa velively ny kabary lazain’ny fitondrana fa amidy 1.400 Ar ny kilaon’ny vary hafarana avy any ivelany satria miantefa any amin’ny mpamongady ihany izany.

Randria

2 réponses à "Vidim-bary : misy mivarotra 1.800 Ar ny kilaon’ny « stock »"

  1. Papango  26/10/2017 à 08:53

    De inona zany ny fepetra tokony ho raisina manoloana izao!Amiko an,dia tokony ny fanjakana ihany no mandray an-tanana ny fivarotana ity vary ity,mba tsy hisian’ny fitaka.Saziana faran’izay zokiny ny tratra mivarotra ny nahazo alalana.Misaotra tompoko

  2. Papango  26/10/2017 à 08:57

    De inona zany ny fepetra tokony ho raisina manoloana izao!Amiko an,dia tokony ny fanjakana ihany no mandray an-tanana ny fivarotana ity vary ity,mba tsy hisian’ny fitaka.Saziana faran’izay zokiny ny tratra mivarotra tsy nahazo alalana.Misaotra tompoko

Les commentaires sont fermées.