Tohivakana ny fanampiana. Nanatanteraka ny fanohanana sy ny fiaraha-mientany amin’ny vahoaka malagasy amin’izao pesta izao ny fanjakana maraokanina. Tonga, omaly, tamin’ny alalan’ny fiaramanidina manokana “Hercule” miisa 3 ny fanafody sy kojakoja natao fiarovana amin’ny aretina pesta. Milanja 34 taonina izany ary haparitaka manerana ny Nosy. Tafiditra amin’ny fiaraha-miasa sy ny fampanantenan’ny andriamanjaka maraokanina, Mohamed VI, izany.
Tsiahivina fa efa nitondra ny anjarany koa ny avy amin’ny OMS, ankotra ireo firenen-tsamihafa, efa nanao izany. na izany aza, tokony ho tonga hatrany ifotony fa tsy hivily lalana izany fanafody sy kojakoja hiarovana ny pesta izany.
Synèse R.
Les commentaires sont fermées.