Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Manakambahiny – Morarano : saron’ny polisin’ny BC ireo vehivavy roa mpaka an-keriny

Manakambahiny – Morarano :  saron’ny polisin’ny BC ireo vehivavy roa mpaka an-keriny

 Voasambotry ny polisy misahana ny ady heloka bevava (BC), sakelika fahatelo teny Manakambahiny Morarano, ny alatsinainy teo ireo vehivavy roa voarohirohy ho mpaka an-keriny. Naka an-keriny zazalahikely dimy taona teny Manakambahiny izy roa vavy ireto, ny faran’ny herinandro teo. Araka ny fanazavan’ny polisy, nilalao teo an-tokotany niaraka tamin’ny namany ity zazalahikely ity no nalain’izy ireo an-keriny. Nanao peta-drindrina manerana ny tanàna ireo ray aman-drenin’ilay zazalahikely rehefa nahatsikaritra fa tsy hita ny zanany. Tsy nahitam-bokany anefa izany ka nametraka fitarainana teny amin’ny polisin’ny BC izy ireo. Nony tonga tao an-trano anefa ireo ray aman-dreniny, nahita taratasy teo amin’ny vavahady milaza fa nisy naka an-keriny  ny zanany. Mitaky vola 5 tapitrisa Ar ireo olon-dratsy vao avotsotr’izy ireo ilay zazalahikely. Nilaza ireo mpaka an-keriny fa tsy maintsy alefa amin’ny Orange Money ilay vola raha mbola te hahita an-janany ireo ray aman-dreny, araka ny fanazavan’ny polisin’ny BC. Nanomboka teo ny fikarohan’ny polisy ka noraisim-potsiny teny Manakambahiny ny vehivavy iray rehefa nofandrihan’ny polisy. Izy indray avy eo no nanoro ny namany nitazona ilay zaza tao an-trano iray eny an-toerana.

Jean Claude

Les commentaires sont fermées.