Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Kitra – «The best Fifa awards 2017» : mpilalao sy mpanazatra mendrika i Ronaldo sy i Zidane

Kitra – «The best Fifa awards 2017» : mpilalao sy mpanazatra mendrika i Ronaldo sy i Zidane

 Nanolotra ny amboara  ho an’ireo mpilalao sy mpanazatra ary ekipa mendrika, ho an’ity taona 2017 ity, ny federasiona iraisam-pirenen’ny baolina kitra (Fifa). Nanao pao-droa ny Real de Madrid.

 Notontosain’ny federasiona iraisam-pirenena (Fifa) tany Londres ny alatsinainy lasa teo ny fankasitrahana ireo mendrika ho an’ity taom-pilalaovana 2017 ity, eo amin’ny taranja baolina kitra. Nisongadina ny Real de Madrid, izay nanao pao-droa, satria lasan’izy ireo avokoa ny mpilalao sy ny mpanazatra mendrika.

Tsy nisy adihevitra fa natolotra ilay Portiogey, milalao ao amin’ny Real, Cristiano Ronaldo, ny mpilalao mendrika, izay nandrombaka ny «Ligue des champions d’Europe» sy ny «Liga».

Ankoatra izay, nahazo ny amboaran’ny mpanazatra mendrika, i Zidane, izay mbola mpanazatran’ny Real de Madrid. Amboara vaovao, tamin’ity “The best fifa awards 2017” ity, ny an’ny mpiandry tsatoby, izay nomena ilay Italianina, Gianguigi Buffon, mpilalaon’ny Juventus de Turin.

Mpijery tsara indrindra, ry zareo Ekosey, mpanohana ny Celtic FC. Ny baolina matin’ilay frantsay, Olivier Giroud, mpilalaon’ny Arsenal, kosa no tsara indrindra nandritra ny fikatrohany tamin’ny Crystal Palace, ny 1 janoary, lasa teo, ka nanomezana azy, ny «Prix Puskas».

Nampahafantarina, tamin’ity, koa ireo mpilalao 11 mendriky ny Fifa, dia i Buffon (Juventus) ; Dani Alves (PSG) ; Sergio Ramos (Real) ;  Bonucci (Milan) ; Marcelo (Real) ; Kroos (Real) ; Modric (Real) ; Iniesta (Barcelone) ; Messi (Barcelone) ; Ronaldo (Real) ; Neymar (PSG).

Torcelin

Ireo mendrika, tamin’ny “The Best FIFA Football Awards 2017”

Mpilalao lehilahy : Cristiano Ronaldo (Real Madrid)

Mpilalao vehivavy : Lieke Martens (Pays-bas)

Mpanazatra lehilahy :  Zinedine Zidane (Real Madrid)

Mpanazatra vehivavy : Sarina Wiegman (Pays-Bas)

Mpiandry tsatoby : Gianguigi Buffon (Juventus)

Baolina maty tsara indrindra : Olivier Giroud (Arsenal vs Crystal Palace)

Fair Play: Francis Kone (Togo)

Mpijery : Celtic FC

 

Les commentaires sont fermées.