Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Kidnapping : votsotra i Nahid Meralli

Kidnapping  : votsotra i Nahid Meralli

17 andro taorian’ny nakan’ny jiolahy an-keriny azy, avotra ny alatsianiny tokony ho tamin’ny 7 ora sy sasany i Nahid Meralli Ballou, Karana mizaka ny zom-pirenena frantsay izy io. Tsy nanambara ny toerana namotsorana azy sy ny takalo ara-bola natao kosa anefa ny fianakaviany. Ireto farany izay nilaza fa tsy nahitan-tory ary tao anaty horohoro tanteraka tao anatin’izay 17 andro nanjavonan’ny havany izay.

Milaza hatrany ny fianakaviany sy ny fikambanan’ny teratany karana mizaka ny zom-pirenena frantsay (CFOIM) amin’ny handraisan’ny manam-pahefana rehetra eto amintsika, hatrany ivelany ny fepetra momba ity fakana an-keriny Karana eto amintsika ity. Ny fitondrana izay efa nilaza fa misy ny paik’ady momba ny ady amin’ny fakana an-keriny, saingy tsy hita mazava izay vokatr’izany. Mbola nisy hatrany ny fakana an-keriny Karana, ary efa ho isam-bolana izany. Votsotra ity nalaina farany, kanefa aiza kosa ny atidoha niketrika izany? Tsy nisy resaka mihitsy ny teo anivon’ny mpitandro filaminana.

Yves S.

 

Les commentaires sont fermées.