Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Fivahinianana : mitohy ny fitsidihana ataon’ny printsy Anne

Fivahinianana : mitohy ny fitsidihana ataon’ny printsy Anne

 Nitsidika ny toerana fikarakarana landy any Soatanàna-Ambositra ny printsy Anne sy ny vadin’ny filoha, Rajaonarimampianina Voahangy, omaly. Taorian’izay, nijery ny alan-tapia, tsy misy afa-tsy eto Madagasikara sady mampalaza ny distrikan’Ambositra koa izy ireo. Iarahan’ny ONG Ny tanintsika sy Feddback Madagascar ny fikojana ireo alan-tapia ireo miaraka amin’ny vondron’olona eny ifotony. Tanjona ny hiaro ny alan-tapia sy hampandroso ny faritra Amoron’i Mania amin’ny tetikasa. Anisan’ny toerana itoeran’ny landibe mpanome ny akora ahodina ho lamba landy ny alan-tapia.

Les commentaires sont fermées.