Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Fahatrarana ireo namono an-dRah Ckiky : nalana tamin’ny Fip ny famotorana ny raharaha

Fahatrarana ireo namono an-dRah Ckiky : nalana tamin’ny Fip ny famotorana ny raharaha

Taorian’ny fahatrarana ireo jiolahy gagilahy nahavita habibiana nanomo sy nandratra an-dRah Ckiky, ny alahady 22 oktobra teo tokony ho tamin’ny 11 ora antoandrobenanahary tao Tsarahonenana, voalaza fa tsy afaka nanohy intsony ny tokony hanohizany ny famotorana ka ahafahana mikaroka izay atidoha mpaniraka sy tompon’ antoka ny hery vonjy taitran’ny polisy (Fip) any Toamasina. Natolotra tany amin’ny sampana misahana ny famotorana ireto roa lahy nahavanon-doza ireto, ka ireo indray no hanao ny famotorana.

Raha ny fanadihadiana natao amin’ ity raharaha ity, andrasan’ny mpanara-baovao rehetra ny hahafantatra izay tena atidohan’ny famonoana. Ahina ny hisian’ny resaka tsy mazava  ao andamosin’ny tompon’ny fibaikoana ny filaminana anatiny any Toamasina.

Manao antso ho an’ny olona kosa Rah Ckiky, amin’ny tokony hifanakalozam-baovao mba hikarohana hatrany ny atidoha naniraka ireto jioalahy namono azy ireto.

Ity farany izay maneho alahelo ihany koa amin’ny fanapahan-kevitry ny talem-paritry ny filaminana anatiny amin’ny fanalana ny famotorana teo am-pelatanan’ny Fip.

Sajo

Les commentaires sont fermées.