Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

AKFM : “Tsy ilaina ny dinika hanitsiana ny lalàmpanorenana”

AKFM : “Tsy ilaina ny dinika hanitsiana ny lalàmpanorenana”

“Raha ny marina, efa tsy tokony hisy intsony izay hoe fifanatonana sy fifampidinihana amin’ny hanitsiana ny lalàmpanorenana izay. Satria efa nanambara ny heviny ny antoko politika, ny firaisamonina sivily, ny fianakaviambe iraisam-pirenena, indrindra ny vahoaka, milaza fa tsy ekena io.”

Izay ny fanehoan-kevitry ny filoha nasionalin’ny AKFM, Rakotomanga Eric, momba ny fiantsoan’ny fitondrana fifampidinihana hanitsiana ny lalàmpanorenana. Noho izany, anjaran’ny fanjakana ny manaiky izay feon’ny besinimaro izay.

Raha ny fijery azy izao, toa mirona amin’izany ihany ny fanjakana raha ny tenin’ny loholona vaovao, Rakotovao Rivo: tsy nanery fa tsy maintsy atao ny fitsapan-kevi-bahoaka ny filoham-pirenena.

Koa tsy hita izay tsy hilazana amin’ny fomba tsotra hoe: mba hajanona àry izany, rehefa tsy eken’ny vahoaka. Mba hampihena ny korontan-tsaina efa manjo ny vahoaka malagasy amin’izao.

Miady seza sy tombontsoa ny samy HVM

Na tsy manaiky sy tsy miteny mivantana aza ny HVM sy ny fitondram-panjakana hoe hitsinjovana ny fahabangan-toeran’ny filoham-pirenena, noho izy hirotsa-kofidina amin’ny 2018, ny antony nanendrena ny loholona Rakotovao Rivo: efa mba maranitra ny vahoaka malagasy sy ny mpandinika fa tena ho amin’izany no namindrana azy ho loholona, araka ny fanazavany.

Ny tena mahavariana sy andrasana indray izao, ny ady toeran’ny samy HVM amin’izay ho filohan’ny Antenimierandoholona. Satria misy kandidà iray mikendry mafy izany toerana izany. Eo koa izay eritreretin’ny filoha hapetraka eo. Ho hita eo izany ny hoe: ahoana ny fandaniana andron’ny fitondrana amin’ny ady seza sy ny tombontsoany manokana? Efa naman’ny tsy hita intsony ny fahoriam-bahoaka…

R. Nd.

Une réponse à "AKFM : “Tsy ilaina ny dinika hanitsiana ny lalàmpanorenana”"

  1. ANDRIAMARO R. Hery  25/10/2017 à 10:44

    Tsy tongatonga hoazy ny tarehimarika mahakasika io Lalàmpanorenana io toy ny hoe : 55% ny taha ny fandraisana anjara ary 75% ny taham-pandresena tamin’ny fitsapa-kevibahoaka. Ankehitriny ianao milalao afo hanova anio. Tokony hitsapa ny heriny amin’ny fifidianana aloha ny fitondrana vao manontany ny hevi-bahoaka.

Les commentaires sont fermées.