Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Minisiteran’ny Fampianarana ambony : hiara-hiasa ny Université de Milan

Minisiteran’ny Fampianarana ambony : hiara-hiasa ny Université de Milan

Hiara-hiasa ny minisiteran’ny Fampianarana ambony sy ny oniversiten’i Milan manomboka izao. Hifototra amin’ny fampianarana ampitain-davitra antsoina hoe “télématique” ny fifanarahana izay natao sonia tany Italia, ny herinandro lasa teo. Voafaritra ao anatin’ny fiaraha-miasa ny andraikitry ny roa tonta amin’ny fanatanterahana ny tetikasa. Hametraka fotodrafitrasa maro mifandraika amin’izany ny mpiandraikitra ny oniversite. Olona avy eto Madagasikara ihany no hampihodina ny oniversite vaovao ka hiteraka tolotrasa maro ho antsika izany. Hanampy amin’ny fanamorana rehetra ahazoan’ny tetikasa mihodina ny minisitera.

Mifanindran-dalana amin’izay, hanome vatsim-pianarana  ho an’ny mpianatra malagasy handranto fianarana any Italia ny université populaire de Milan. Ho mariky ny fisantarana ny fiaraha-miasa, notolorana 1tapitrisa dolara ny minisitera mpiahy.

Nahazo mari-boninahtra ara-pikarohana Associée honoraire en éducation avy amin’ny Université populaire de Milan ny ministra Rasoazananera Monique, nandritra ny diany tany.

Nisokatra ny taona 1901 ny université de Milan ary manana traikefa amin’ny sehatra maro.

Vonjy A.

Les commentaires sont fermées.