Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Kick-boxing : Me Kelly no hitazona ny Cospn

Kick-boxing  : Me Kelly no hitazona ny Cospn

Fantatra izao fa hitazona ny klioban’ny Cospn, eo amin’ny taranja kick-boxing ny Me Rasoanaivo Kelly, izay efa nahazo ny “grade d’expert”. Tsy olona vaovao amin’ity haiady ity, ny tenany satria anisan’ireo Malagasy voalohany, nampiditra ny taranja kick-boxing, teto Madagasikara. Efa namoaka tompondakan’i Madagasikara maro ny tenany.

Noho ny fahaizana sy ny traikefa nananany, nohafaran-dry zareo Seiseloà hampianatra tany aminy izy, nanomboka ny taona 1993. Ankehitriny, efa tonga eto an-tanindrazana ny Expert Kelly, ary hijanona amin’izay. “Ampy izay ny any am-pita fa nisafidy ny hijanona ka hanasoa ny mpiara-belona sy ny mpiray tanindrazana amin’izay aho”, hoy izy. Marihina fa ao amin’ny Dojo pénitentiaire, etsy Antanimoro no mampikotrana ny Expert Kelly. Intelo isan-kerinandro izany dia ny alatsinainy, ny alarobia ary ny zoma, manomboka amin’ny 12 ora antoandro ka hatramin’ny 1 ora folakandro. Anisan’ireo homeny kotrana, ireo mpiandry fonja rehetra, ka ny “Aérokick”  no ampanaovina azy ireo.

Torcelin

Les commentaires sont fermées.