Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Indray mijery

Momba ny toetry ny andro anio, ny maraina, handrahona ny andro any Sava, Alaotra Mangoro, Atsinanana fa arahina orana malefaka izany any Analanjirofo sy Toamasina. Vao maraina, ho rakotra zavona any Ambatolampy, Ambatofotsy ary ny ilany atsinanan’i Vakinakaratra sy ny ilany atsinanan’i Amoron’i Mania sy any Ihorombe. Hibaliaka ny masoandro ho an’ny faritra hafa .
Ny hariva, hirotsaka ny orana malefaka any Sava sy Maroantsetra. Ho an’ny faritra sisa, handrahona ny andro na hibaliaka koa ny masoandro. Eto Antananarivo, hahatratra 17°/26°C ny maripana ambany sy ambony indrindra anio. Efa nanamarika ny sampana mpamantatra ny toetry ny andro fa hitsahatra ny orana ao anatin’ny hateloana eto an-dRenivohitra.

Les commentaires sont fermées.