Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Halevina, anio, ny Pr Zafy : foana avokoa ny lanonana, mikatona ny bar…

Halevina, anio, ny Pr Zafy : foana avokoa ny lanonana, mikatona ny bar…

Tsy tokony ho toy ny andavanandro ny anio. Halevina any amin’ny fasan-drazany any Betsiaka, Ambilobe ny nofo mangatsiakan’ny filoha teo aloha, Zafy Albert. Araka ny fanapahan-kevitry ny fitondrana, ho andro fisaonana izany ka foana sy tsy azo atao avokoa ny lanonana rehetra, manerana ny Nosy. Hikatona avokoa ireo toeram-pisotroana zava-pisotro misy alikaola. Efa nidina antenantenany hatramin’ny 13 oktobra teo kosa ny sainam-pirenena. Tokony handefa hira milantolanto, tsy maredona na mampitsinjaka na koa handravaka ny fandaharana amin’ny alalan’ny hiram-pivavahana ny haino aman-jery.

Sorona Masina notarihin’ny Mgr Rosario

Hanatrika izany fotoam-pandevenana any an-toerana izany avokoa ireo lehiben’ny andrimpanjakana, hotarihin’ny filoha Rajaonarimampianina. Eo koa ny Praiminisitra Mahafaly sy ny filohan’ny Antenimiera, Rakotomamonjy Jean-Max.

Tsiahivina fa nanaovana Sorona Masina tao Ambanja, notarihin’ny eveka any an-toerana, ny Mgr Rosario, ny alarobia teo izany. Nitohy tao Ambilobe izany afakomaly ka nitsena ny razana ireo vahoaka marobe, mialoha ny hidirana ny tetezan’ i Mahavavy.

Nanaovana ny fomban-drazana Antakarana

 Nampidinina ny nofo mangatsiakan’ny Pr Zafy avy eo,  amin’ny maha Antakarana azy ary nanaovana ny fomban-drazana, mialoha ny hitsakana renirano lehibe tahaka izao, indrindra fa ny renirano masina tahaka ny reniranon’i Mahavavy. Nolanjain’ny vahoaka ny tranovorona tamin’izany. Nentina  tao amin’ny Kolejy Md Joseph, toerana voaomana handraisana azy izany avy eo. Nialoha izany anefa, nampandalovina tao amin’ny tranony tao Matiakoho Ambilobe ny nofo mangatsiakan’i Pr Zafy.

Nandalo anAmbakirano, tanànan’ny fahatanoran’ny Pr Zafy taorian’izany. Vory marobe ny vahoaka tany an-toerana niondrika sy nanome voninahitra farany ity filoha teo aloha ity. Tonga tany Betsiaka ary izao halevina, anio, amin’ny fasan-drazany izao.

Synèse R.  

Les commentaires sont fermées.