Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Etsy Analakely : iverimberenana ny fanadiovana iadiana amin’ny pesta

Etsy Analakely  : iverimberenana ny fanadiovana iadiana amin’ny pesta

Tsy ny pesta ihany no ezahina fongorona eto anivon’ny fari-piadidiana ny Tanànan’Antananarivo Renivoihtra amin’izao fotoana izao, fa ireo aretina rehetra izay mety ateraky ny loto.

Miverimberina matetika, araka izany, ny fanadiovana faobe. Iverimberenana ny fanadiovana ny faritra Analakely sy ny manodidina  izay iarahan’ny ekipan’ny boriborintany voalohany sy ny  sampana mpamonjy voina ary ny DSH (Direction de la santé et de l’hygiène).

Nodiovina tamin’ny ranobe ireo toerana izay lotoin’ny mpatory an-dalana sy ireo mpivarotra amoron-dalana. Teo koa ny famendrahana ranom-panafody famonoana bibikely sy otrikaretina.

Tanjona ny hanairana ny sain’ny tsirairay mba samy handray ny andraikitra tandrify azy amin’ny fanadiovana tokony hatao amin’ny toerana avy nivarotana. Mandrora mitsilany anefa ny ankamaroan’ireo mpivarotra amin’izao fotoana satria mamela ny lotony eo ary izy ireo ihany no miaina amin’izany loto izany.

Nilaza ny tompon’andraikitra avy eo anivon’ny fari-piadidiana ny Tanànan’Antananarivo Renivohitra fa tsy hilefitra intsony amin’ireo izay mbola minia mandoto.

Tatiana A

Les commentaires sont fermées.