Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Banga ny antoko Arema : nodimandry Raharijaona Pierre

Banga ny antoko Arema  : nodimandry Raharijaona Pierre

Misaona ny tontolo politika, indrindra fa ny antoko Arema. Nodimandry, afakomaly teo amin’ ny faha-75 taony, Raharijaona Pierre. Mpikambana teo anivon’ny antoko Arema ny tenany tamin’ny fotoan’androny. Nanorina ny antoko Arema Matotra anefa izy rehefa nandalo tany efitra ity antoko naorin’ny amiraly Ratsiraka ity, taorian’ny 2002.  Izany hoe, antoko tony fihetsika raha mitaha amin’ireo namany nijanona tao amin’ny Arema.

Efa solombavambahoakan’ i Madagasikara teo aloha, voafidy teny amin’ny distrikan’Atsimondrano, ny tenany. Tsy hita teo amin’ny tontolo politika, intsony izy mialoha ny krizin’ny 2009.

Hiainga eny amin’ny trano fonenany eny Tongarivo, Malaza Andoharanofotsy, anio, ny razana. Hatao veloma farany ao amin’ny FJKM Ankadimbahoaka ary halevina any an-tanindrazany, any Ambohikambana Behenjy Gara, avy eo.

Synèse R.

 

Les commentaires sont fermées.