Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Anjoma Nandihizana – Manandriana : dahalo roa lahy nahatrarana basy poleta roa

Anjoma Nandihizana – Manandriana : dahalo roa lahy nahatrarana basy poleta roa

 Saron’ny zandary avy ao amin’ny kaompanian’ny zandarimaria ao Ambositra, ny herinandro teo ny dahalo roa lahy niaraka tamin’ny basy poleta roa sy bala efatra. Dahalo efa nokarohina hatry ny ela tany amin’ny kaominina ambanivohitra Anjoma Nandihizana, distrikan’i Manandriana, Amoron’i Mania, ry zalahy ireto.

Nanao hetsika ho fampandrian-tany ka nidina ifotony nisafo tanàna ny zandary any an-toerana notarihin’ny kaomandin’ny kaompanian’Ambositra rehefa nahazo ny fanangonam-baovao sy fitrandraham-baovao rehetra momba ireto dahalo raindahiny ireto. Nisy ny fifampitifirana teo amin’ny zandary sy ireo dahalo ka lavo tamin’izany izy roa lahy. Basy vita gasy ny iray amin’ireo basy tratra tany amin’ireo dahalo ireo raha PA marika MAB izay voafafa laharana kosa ny iray. Nohamafisin’ny zandary fa tsy dahalo teo am-panafihana ireo fa ny fikaroham-baovao no nitarika ny fisamborana nokasaina hatao azy ireo hisorohana ny asan-dahalo mety hataony.

Jean Claude

Les commentaires sont fermées.