
Fotoana vitsy aorian’ny fanadiovana izay ataon’ny mpiasan’ny kaominina Antananarivo Renivohitra, efa tsapa fa miverina mandoto indray ny olona sasany. Noho izany, nandray ny fepetra ny kaominina sy ireo mpiara miasa aminy eny anivon’ny fokontany mba hanentana sy hisava ny fahadiovan’ny isam-baravarana.
Tamin’ity herinandro ity, nidina teny amin’ny ny fokontany Andavamamba Anjezika II ny ekipan’ny kaominina nanao ny fisavana isan-tokantrano. Nisy ny fanadiovana goavana natao nifanindran-dalana tamin’izany.
Nentanina ny isam-baravarana ary nodiovina daholo ireo loto rehetra. Nisy ny fiaraha-miasan’ny boriborintany voalohany tamin’ny vovonan’ny fokontany 12, ny RF2 (Rafitra fahadiovana sy fidiovana) ary ny mponina rehetra teny amin’ny fokontany Andavamamba Anjezika II.
Araka ny nambaran’ny tompon’andraikitra avy eo anivon’ny vovonan’ny fokontany 12 boriborintany I sy IV dia mbola tena ao anaty fiadiana amin’ny valanaretina ny kaominina amin’izao fotoana izao. Tsy ny pesta ihany no tena iadiana fa ireo valanaretina izay ateraky ny loto toy ny aretim-pivalanana, raboka…
Tanjona amin’izao fanadiovana izao ny hifehezana ny fako. Nanentana ny rehetra mba samy handray ny andraikitra tandrify azy ny avy ao amin’ny CUA.
Tatiana A
Les commentaires sont fermées.