Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Ady amin’ny pesta : nanolotra fitaovana ho an’ny mpitsabo ny Orange

Ady amin’ny pesta  : nanolotra fitaovana ho an’ny mpitsabo ny Orange

Ho fandraisana anjara amin’ny ady amin’ny pesta eto amintsika, nanolotra fitaovana fiarovana ho an’ny mpitsabo sy ny mpikarakara ny marary eny amin’ny hopitaly ny Orange Madagascar, omaly. Natolotra teny amin’ny foiben’ny BNGRC Antanimora ny fitaovana takom-bava 10 000, fono tanana 20 000 ary gel fiarovana amin’ny otrikaretina 200 tavoahangy, ka ny tomponandraikitra ao indray no hitsinjara izany araka ny filana misy. Nitondra ny delegasiona teny an-toerana ny filohan’ny Orange Solidarité, Randriambeloma Josie. Hapetraka eny anivon’ny hopitaly : Ambohimiandra, Befelatanana, Anosiala, HJRA, Anosy Avaratra, Tsaralalàna, Itaosy ary ny toerana fandraisana ny vonjy taitra (Sureca).

Ankoatra izay, mitondra fanohanana amin’ny fandefasana hafatra amin’ny finday manentana ny mponina manoloana ny aretina pesta ny orinasa. Azo antsoina amin’ny laharana orange maimaimpoana rahateo ny laharaa maitso 910 ho an’ireo mila torohevitra momba ny trangana pesta.

Mahatsapa ny tomponandraikitry ny orinasa fa manana adidiy hanampy ny mpiara-belona indrindra ao anatin’ny hamehana entin’ny valanaretina pesta.

Vonjy A.

Les commentaires sont fermées.