Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Sarimihetsika malagasy : hivoaka tsy ho ela ny « Ilay raozy maina »

Sarimihetsika malagasy  : hivoaka tsy ho ela ny « Ilay raozy maina »

Taorian’ny « Leboto », hivoaka amin’ny faran’ity volana ity ny sarimihetsika nampitondraina ny lohateny « Ilay raozy maina ». Tantaram-piainan’i Solo, tovolahy manana aretina mitaiza izay nanamaloka ny fiainany amin’ny lafiny fitiavana, fiarahamonina, sns. Niady irery ny reniny. Ny rainy, tsy hitany sy tsy fantany akory… Tantara nosoratan’i Mbolatiana Ramanitrarivo. Ankoatra ny maha kolontsaina azy, anisan’ny tanjon’ny mpamokatra ity tantara ity ihany koa ny hampahafantatra ny tanànan’i Tsiroanomandidy, toerana nanaovana ny fandraisana ny sary.

… Ankoatra ny fikirakirana ny mozika ataon’i Narindra Tsik’Man, avy any Bongolava, nanangana ny « Bongolava studio » ihany koa ity mpanakanto ity. « Hahafahana mampivelatra ny kanto sy hanampiana ny mpanakanto amin’ny famokarana hira sy sarimihetsika no anisan’ny nananganana azy io », hoy izy. Anisan’ireo vokatra efa voajarin’ny Bongolava production ny tantara « Menarana » (taona 2015) sy « Leboto » (taona 2016).

HaRy Razafindrakoto

Les commentaires sont fermées.