
Hitohy, anio tolakandro any amin’ny kianja Ampasambazaha Fianarantsoa, ny andro faharoa amin’ny fifanintsanana mandroso eo amin’ny “Poule des As”, fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara. Hangotraka ny fihaonana satria mety hanamarika izay ho voalohany. Hanan-danja avokoa ireo lalao roa, amin’izany.
Anisan’ny tena andrasan’ny rehetra ny fifandonan’ny Cnaps Sport sy ny Elgeco Plus. Lalaon’ny samy mpandresy, teo amin’ny andro voalohany, io. Manantombo, eo amin’ny “goal average”, aloha ny Cnaps Sport, saingy hitana ny laharana voalohany vonjimaika, mivoaka ho mpandresy eo. Hiendrika famaranana kely araka izany, ity fihaonan’ny roa tonta ity.
Tsy hifampitsitsy ny mpifanandrina
Tsiahivina fa ireto ekipa roa tonta ireto, no nisolo tena an’i Madagasikara, tamin’ny fifaninanana afrikanina, tamin’ny taon-dasa saingy ankehitriny, tsy misy afa-tsy ity fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara ity sisa hiadian’izy ireo. Tsy hifampitsitsy, araka izany, ny andaniny sy ny ankilany eto.
Fihaonan’ny samy resy kosa ny an’ny Hzam Amparafaravola sy ny Cosfa Analamanga. Tsy maintsy hiezaka koa ireto ekipa ireto hitady fandresena, anio, mba hahafahana miandrandra ny toerana voalohany. Raha toa ka misaraka ady sahala mantsy ny Cnaps sy ny Elgeco ka misy mivoaka ho mpandresy ny Hzam sy ny Cosfa, ekipa telo no hitovy isa, samy manana isa 3 avy. Tena ho herin’ny fifanintsanana izany ity andro faharoa ity.
Tompondaka
Les commentaires sont fermées.