Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Fitsaboana nify : nahazo fitaovana ny Club Soroptimist

Fitsaboana nify : nahazo fitaovana ny Club Soroptimist

Tsy mbola laharam-pahamehana ho an’ny mponina ny fitsaboana ny nify sy ny ativava eto Madagasikara. Tsy tsapan’ny maro, kanefa miteraka aretina hafa toy ny aretin-tenda, diabeta, sns, izany. Tsy ampy rahateo ny fotodrafitrasa ho an’ny fitsaobana nify ka nahatonga ny Club Soroptimist Antananarivo nametraka ny ivontoeram-pitsaboana etsy 67 ha.
Niantso ny Star mba hifanome tanana amin’izy ireo amin’ny fanatanterahana ny tetikasa ny Club Soroptimist, ka tsy nisalasala namaly ity vondron’orinasa ity. Nanome fitaovana fitsaboana maromaro, izay mitentina eo amin’ny 7 tapitrisa ariary eo ny Star, hiasan’ny toeram-pitsaobana. “Fanamafisana hatrany ny asa ho an’ny mpiara-belona efa fanaonay, indrindra ho an’ireo tena sahiranaizany. Manantena izahay fa hanatsara ny fahasalaman’izy ireo ny fisian’ity toeram-pitsaboana nify ity”, hoy ny nambaran-dRabary Anna, avy amin’ny orinasa Star, nandritra ny fitokanana ny toerana sy nanomezana ireo fitaovana, omaly.

Zo ny Aina

Les commentaires sont fermées.