Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Fametrahana ny fanjakana tsara tantana : mitaky ezaka hiadiana amin’ny kolikoly ny Amerikanina

Fametrahana ny fanjakana tsara tantana  : mitaky ezaka hiadiana amin’ny kolikoly ny Amerikanina

 Tsy mbola mahafapo. Anisan’ny navoitran’ny ambasadaoron’i Etazonia, eto amintsika, Robert Yamate, afakomaly, teny Ambohibao fa tsy mbola maharesy lahatra azy ireo ny ady amin’ny kolikoly eto amintsika.

 

Antoka iray hahafahana  mampandroso ny firenena ny fanohanana ireo sampandraharaha miady amin’ny kolikoly. Resy lahatra efa ela izahay fa tokony hiara-kiasa ny samy firenena hahafahana mamongotra ny kolikoly”, hoy izy taorian’ny fifanaovan-tsonia fiaraha-miasa, niarahana amin’ny SFCG sy ny Bianco ary ny masoivoho amerikanina. Nohitsiny fa manakantsakana sy manohintohina ny ezaka vita eo amin’ny fampandrosoana an’i Madagasikara ny savorovoro nateraky ny krizy, ao amin’ny samy avara-pianarana. Eo koa ny fahalemen’ny andrimpanjakana samihafa ary ny tsy fanajana ny tany tan-dalàna sy ny tamberin’andraikitra.

Na tsy mivantana aza ny vahiny tamin’ny fanehoan-keviny, anisan’ny malemy sy tsy te hametraka  ny fanjakana tsara tantana ny parlemantera sy ny minisitra sasany, tsy mbola nanao fanambaram-pananana.

Efa manao ezaka ihany ny Bianco…

Eo koa ireo lehiben’ny faritra sy ireo ben’ny Tanàna marobe, tsy mbola nanao izany. Efa manao ny ezaka rehetra anefa ny Bianco… saingy tatry ny bemarenina sy ny mpanao hitsin-dalana…

Tsy ny Amerikanina ihany ny tsy afa-po. Efa naneho fanambarana tahaka izany koa ny Tahirim-bola iraisam-pirenena (FMI), tamin’ny fandalovan’ny iraka farany teo. Anisan’ny nitondran’ny vahiny tsikera mivaivay ny tsy fanaovan’ny olom-boafidy sy ny manampahefana hafa ny fanambaram-pananana.

Araka izany, iandrasana ny fanairan’ny avy any ivelany tahaka izany isika vao ho taitra sy tena vonona hiady amin’ny kolikoly ?

Synèse R. 

 

Les commentaires sont fermées.