Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Sarimihetsika « Tsisy mipika » : mitana anjara toerana sarotra i Dah’Mama

Sarimihetsika « Tsisy mipika »  : mitana anjara toerana sarotra i Dah’Mama

« Raharaha be, vao tany amin’ny fampifanarahana ny fotoana hanaovana fanodinana ny sary sy ny fotoana hiakaran’i Dah’Mama an-tsehatra », hoy ny tompon’andraikitra ao amin’ny Scoop Digital. « … Tsy maintsy nirosoana satria mila olona tena mahafehy ny anjara toerana omena azy ny sarimihetsika « Tsisy mipika », hoy hatrany ny mpanatontosa. I Dah’Mama, mpilalao fototra mitana ny anjara toeran’i Zénaïde, izay sarotra tokoa. « Noho ny fahaizany mampiaina ilay tantara, toa zary lasa olona roa samy hafa mihitsy izy. Hafa ilay eny ambony sehatra, fa hafa ihany koa ilay feo avo sy mikarantsana arahina fijery hentitra, feno fampitandremana any anaty tantara », hoy hatrany ny mpanatontosa. Renim-pianakaviana miaro ny tombontsoan’ny tokantranony izy ao anatin’ny « Tsisy mipika », sady miatrika ny dona avy any ivelany no mandamina ny savorovoro ao anatiny…

Fantatra, omaly, fa hivoaka ny 26 oktobra izao manerana ny Nosy ny DVD « Tsisy mipika » (saison I). Raha ny nambaran’ny tompon’andraikitry ny serasera ao amin’ny Scoop Digital : « toy ny mahazatra, ahitana ny ampahany amin’ny tantara mbola tsy nandeha ity DVD ity ».

HaRy Razafindrakoto

 

Les commentaires sont fermées.