Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Resaky ny mpitsimpona akotry : resy noho ny fahazarana

Tsy ny pesta no ho resy ho azy amin’izao, fa ny mpiray monina no mety hiharan’ny takaitra noho ny fihenan’ny risika atao ho fanefitry ny aretina rehefa na ny mponina na ny fitondrana no samy milefitra noho ny fahazarana mitoetra tsikelikely ao ambanin’ny fitandondon’ity loza ity. Na samy mamono mahafaty aza tsy mitovy amin’ny ateraky ny fahantrana ny loza vokatry ny areti-mifindra toy ny pesta. Ny fahantrana araka ny fahitana azy eto an-toerana dia mikiky homana miadana isan’andro manao lazon’ady, ny pesta kosa mandripaka haingana, manararaotra raha tsy mahery vaika ny fitandremana atao ho fiarovana ny mponina sy ny fomba entina handresena azy.

Tsy afaka anokanana andro iray fotsiny isan-taona atao fiatsaram-belatsihy toy ny mikasika ny fahantrana izy io. Fifanindrian’ny fotoana moa ny antony mahatonga itenenana an’izany, sendra mifanandrify manodidina ny faha-17 Oktobra, andro natokana ho fanehoana ny tsy fankatoavana ny fahantrana. Iza moa no manana fankatoavana fahantrana, ny mpanana tsy tia hahita ny fisian’izany, ny mahantra tia hiala avy ao anatin’ny fanagejany. Fantatra ny tsy fitovizana eo anoloanan’ny fiangaran’ny vintana, zaran’izay tsy mizaka ny mangidy no misitraka mamy, tsy fidiny kosa ho an’ireo tototry ny fahasahiranana ny fiaretana an’izany. Rariny angamba izany fihetseham-po izany nohon’ny maha-olombelona, hany afaka heverina tsy rariny dia ny fiangarana eo amin’ny anjaran’ny tsirairay eto amin’ny fiarahamonina. Napetraka amin’ny fitondrana ny fanarenana ny fahadisoan-danja tafahoatra. Adidiny ny fikarohana rafitra ahafahan’ny tsirairay hahazo ny anjara masoandrony, rafitra izay kendrena no tsy ampifanipaka ny tombontsoa ho ny andaniny sy ny ankilany. Efa nitranga ny firafesan’ny roa tonta, tsy namokatra nahafahan’ny mahantra hiala tamin’ny fahasahiranana izany. Ny fanomezana fanantenana fotsiny koa nefa efa ela niverimberenana ka lany tsiro, raha ny eto an-toerana no jerena dia vao nitombo aza ny elanelana manasaraka ny mpanana sy ny mahantra, samy nitombo any amin’ny misy azy ny harena sy ny fahantrana. Hany fiovana tazana dia ny fahatafitan’ny maro amin’ireo nandalo fitondrana sy ireo mpiray dia taminy, nisy niofo loko niova sata ary nanova fihetsika mihitsy aza, toy ny tsimbotry lasa adrisa. Ny valala tsy  mandady harona kosa dia tafajanona toy ny voaozona handady ary hitsindroka voam-bary latsaka sy poti-daoka raraka vao homana.

Léo Raz

 

Les commentaires sont fermées.