Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Mpianatra nandoro trano : roa nidoboka am-ponja

Mpianatra nandoro trano  : roa nidoboka am-ponja

 Niakatra fitsarana, ny talata teo tao Mahajanga ireo telo lahy mpianatry ny Oniversiten’i Mahajanga voasaringotra tamin’ilay raharaha fandorana trano teny amin’ny Campus Ambondrona Mahajanga. Nidoboka am-ponja vonjimaika ny roa lahy raha afaka madiodio kosa ny iray.

Tsiahivina fa tsy faly tamin’ny fanapahan-kevitry ny Filan-kevi-pitantanan’ny Oniversite nanala ny mpianatra rehetra teny amin’ny toeram-ponenana ireto mpianatra ireto ka nandoro trano, ny zoma 13 oktobra 2017 lasa teo. May kila hotohoton’ny afo tamin’izany ny Bloc 16. Teo am-pikasana ny handoro ny bloc 15 ry zalahy no voasambotry ny mpitandro filaminana. Olana saro-bahana eny anivon’ny tontolon’ny ambaratonga ambony hatrany ity resaka trano fonenana sy vatsim-pianarana ity. Miafara amin’ny gidragidra sy fanimban-javatra ary fisamborana hatrany ny raharaha. Na inona hatezerana, tsy mety ny fanimbana fananam-panjakana toy izao. Tokony hojeren’ny fanjakana akaiky koa izany satria tezitra ny mpianatra matoa mahavita manao fihetsika toy izany.

J.C

Les commentaires sont fermées.