Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Mafana ny andro : azo sotroina tsara ny « jus de légumes »

Mafana ny andro  : azo sotroina tsara ny « jus de légumes »

 Mila rano matetika ny vatana amin’izao andro mafana izao. Ankoatra ny rano tsotra izay tokony hosotroina, azo atao tsara koa ny misotro ranona legioma. Mahazatra antsika ny ranom-boankazo. Matetika anefa mbola manampy siramamy isika rehefa misotro azy ireny ka lasa tsy ara-pahasalamana intsony.

Azo hakana ranony ihany koa ny legioma toy ny, voatavo, persil, karaoty, betiravy, voatabia, kaonkaombra, ovy… Tena mahasalama ary mandrindra ny fiasan’ny singa marobe ao anatin’ny vatana izy ireny.

Azo ampiarahana ihany koa ny legioma maromaro hanome ranony ary miaraka sotroina. Tsy asiana siramamy fa sotroina avy hatrany mba tena hitondra soa ho an’ny vatana.

Azo hatao ihany koa ny manao “milk shake” amin’ny legioma. Ranona kaonkaombra sy “yaourt” azo afangaro ary hanina mba hampiovaova ny “jus” hatao.

Tena ilain’ny vatana ny legioma. Mahazatra antsika ny manao azy ireny lasary. Azo atao tsara koa anefa ny manao azy ireny “jus” sady vetivety dia vonona sy azo sotroina.

Mila fahazarana ny misotro ranona legioma manta satria tsy toy ny ranom-boankazo fa miova kely amin’ny mahazatra. Azo asiana sira kely na voasary makirana kely ny ranona legioma mba hampatsirotsiro azy. Mahasalama na ho an’ny ankizy na ho an’ny olon-dehibe fa andramo.

Les commentaires sont fermées.