Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Lozam-pifamoivoizana : Sinoa roa sy vehivavy gasy iray naratra mafy

Lozam-pifamoivoizana  : Sinoa roa sy vehivavy gasy iray naratra mafy

 Nitrangana lozam-piarakodia indray tao Mahajanga, omaly maraina tamin’ny 7 ora manoloana ny Lycée Philibert Tsiranana no nitrangan’ny loza. Teratany sinoa roa sy vehivavy malagasy iray naratra mafy tao anatin’ilay fiara 4×4 marika Mitsubishi Sportero nitondra azy ireo. Antony nahatonga ny loza, araka ny fitantaran’ireo nahita ny zava-nitranga, saika hisongona Bajaj iray teo alohany ilay fiara ka nifatratra tamin’ny vodihazo lehibe iray. Somary nandeha mafy ihany ilay fiara tamin’io fotoana io, raha ny filazan’ireo olona nahita ny fitrangan’ny loza. Tafahodina mihitsy ilay fiara noho ny dona nahazo azy. Potika tanteraka ny lohan’ny fiara. Naratra kosa ireo Sinoa roa sy ilay vehivavy malagasy iray niaraka tamin’izy ireo. Avotra kosa ny mpamily. Nalefa eny amin’ny hopitaly Androva Mahajanga ireo naratra. Isan’ny toerana ahitana lozam-pifamoivoizana matetika ny ao Mahajanga noho ny fisian’ireo Bajaj sy ny posy. Samy manao izay tiany hatao ka tsy misy manaraka intsony ny lalana mifehy ny fifamoivoizana.

J.C

Une réponse à "Lozam-pifamoivoizana : Sinoa roa sy vehivavy gasy iray naratra mafy"

  1. Radanz  19/10/2017 à 16:39

    Teto dia tsy ny bajaj raha ny filazanareo azy no niteraka ny loza fa ny fandehanan’izy ireo mafy, hisongona ilay bajaj ary tsy nahafehy ny familiana avy eo!

Les commentaires sont fermées.