Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Kitra any Eoropa – «Ligue des champions» : voatohitry ny Tottenham ny Real de Madrid

Kitra any Eoropa – «Ligue des champions» : voatohitry ny Tottenham ny Real de Madrid

Tratry ny tsy nampoizina  ny Real de Madrid, tompondakan’i Eoropa, nandritra ny fanatanterahana  ny andro fahatelo amin’ny “Ligue des champions d’Europe”. Voatazon’ny Tottenham, ady sahala, tao amin’ny kianja filalaovany mantsy ry Ronaldo.

Tsy nisy nanam-po ny voka-dalao teo amin’ny Real de Madrid sy ny Tottenham, teo amin’ny fihaonana mandroso amin’ny andro fahatelo, hiadiana ny ho tompondakan’i Eoropa “Ligue des champions”, taranja baolina kitra. Fihaonana  notanterahina tao amin’ny kianja Santiago Bernabeu, ny talata lasa teo.

Voatazon’ny Tottenham, tamin’ny isa mitovy 1 no ho 1, teo an-jaridainy mantsy ry Cristiano Ronaldo. Sahirana mihitsy ry zareo Madrilène, tamin’io fihaonana io satria ry zareo Anglisy  no nanokatra ny isa voalohany, rehefa namono tena i Raphael Varane, teo amin’ny minitra faha-28.

Niezaka nitady hevitra, handavoana an-dry zareo Tottenham avy eo ny Real de Madrid saingy tsy nety nahita hirika mihitsy. Efa tany amin’ny minitra faha-43 vao nahasahala ny isa, ry zareo, tamin’ny alalan’ny “pénalty”,  tafiditr’i Cristiano Ronaldo. Nifandanja tanteraka ny lalaon’ny roa tonta. Nisongadina kosa nefa ny Anglisy, tamin’ny fiarovantena sy ny hakingana teo amin’ny valim-panafihana.

Mitovy tanteraka ny isa azon’ny andaniny sy ny ankilany, taorian’ity andro fahatelo ity, izay samy nahazo isa 7 ary mitarika vonjimaika, ao amin’ity sokajy “H”  ity. Marihina fa anisan’ny nisongadina tamin’iny fihaonana iny ny mpiandry tsatoby roa tonta dia i Navas, ho an’ny Real ary i Lloris, kosa ny an’ny Tottenham. Betsaka mantsy ireo baolina tokony ho tafiditry ny ekipa roa tonta saingy voasakan’izy mirahalahy avokoa ireo dakan’ny lohalaharana.

Tompondaka

Toy izao kosa ireo vokatra hafa :

-Besiktas (2) – (1) AS Monaco

-Apoel (1) – (1) Dortmund

-Spartak (5) –  (1) Séville

-Liverpool (7) – (0) Maribor

-Manchester City (2) – (1) Naples

-Chakhtar (2) – (1) Feyenoord

-Leipzig (3) – (2) FC Porto

Les commentaires sont fermées.