Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Hanampy fokontany valo : hisy ny tobim-pahasalamana manakaiky ny vahoaka

Hanampy fokontany valo  : hisy ny tobim-pahasalamana manakaiky ny vahoaka

 Hanokatra toeram-pitsaboana eny 67 ha Avaratra Andrefana ny dokotera Jaozandry hoentina hanampiana ny sokajin’olona maro hikarakara ny fahasalamany. « Voakasika ao avokoa ny fianakaviana sahirana, antonony ary manan-katao satria samy manana ny tolotra sahaza azy. Natao hitsinjovana azy ireo rahateo ny tetikasa », araka ny fanazavan’ny dokotera tomponandraikitra. Hitondra tombontsoa ho an’ny mponina 88 340 amin’ny fokontany valo ny tetikasam-pahasalamana : Andohatapenaka 1, 2 sy 3 sy Ankasina ary ny fokontany efatra ao 67 ha. Hanome asa tsy latsaky ny 20 koa izany  hampihodinana ny toeram-pitsaboana.

Taorian’ny fanadihadiana nataony nandritra ny fanomanana ny fanohanan-kevitra hahazoana ny mari-pahaziana master professionnel eo anivon’ny departemanta toekarena, eny amin’ny oniversiten’Antananarivo no nipoiran’ny fametrahana ity tetikasa ity. Nisafidy ny fampandrosoana eny ifotony sy ny fitantanana tetikasa ny tenany ka anjara biriky hoentiny hampandrosoana ny tanàna ny fametrahana ity toeram-pitsaboana ity izay manakaiky ny vahoaka. Anisan’ny fokontany valo be olona nefa lavitra CSB ireo iantefan’ny tetikasany. Raha ny fenitra iraisam-pirenena, tokony hisy toeram-pitsaboana iray ny tanàn-dehibe manana mponina 10 000. Eto amintsika, zara raha ahitana CSB 93 mikarakara mponina efa ho 2 tapitrisa eto Antananarivo. Izay no nahatonga an’ny dokotera Jaozandry hitodika amin’ny fametrahana toeram-pitsaboana manakaiky ny vahoaka.

Vonjy A.  

Les commentaires sont fermées.