Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

CFM : « Tsy mora ny fampihavanana »

CFM  : « Tsy mora ny fampihavanana »

Niaiky. “Tsy mora ny dingan’ny fampihavanana. Na izany aza, mila antsika mifanome tanana. Tanjona ny fahatoniana ara-politika, sosialy ary toekarena”, hoy ny filohan’ny Filankevitry ny fampihavanana (CFM), Maka Alphonse, omaly tetsy Ampefiloha. Notanterahina tamin’izany ny famindram-pitantanana teo aminy sy ny mpitantana teo aloha ny FFM, notarihin’ny Jly Rabotoarison Charles. Nofaritany fa anisan’ny laharam-pahamehana ny fampahafantarana hatreny ifotony ny lalàna momba ny fampihavanam-pirenena. “Mba hahafantaran’ny rehetra fa tena ilaina izany. Hidina eny ifotony ny mpikambana ary hiainga any ny fampihavanana. Ny antony, mba hahalana ny marina”, hoy ihany izy.

Synèse R.

Les commentaires sont fermées.